Efa ela no te-hanoratra saingy androany angamba vao tontosa izy ity. Lohahevitra hafa no nokasaina fa tonga amin'ity lohahevitra tsy noheverina ity fa kibo saoky ny nahiny. Nisy nanapongatra tampoka taorian'ny fihaonan'ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron ny taratasy voasonian'ny tompon'andraikitra frantsay sy ny gazetim-panjakana nanondro fa nahazo (rehefa nangatahana) ny zom-pirenena frantsay tamin'ny 19 novambra 2014 ny Filoha malagasy ankehitriny sy ny vady aman-janany. Misy ireo miteny, fa tsy misy porofo, hoe hatramin'ny nanomanana ny fanonganana ny Filoha Ravalomanana no efa nanaovana ny fangatahana ho fiarovan-tena raha sanatria ka tsy nahomby ny raharaha.
Rediredy kely mialoha ny ventin-dresaka, tsaroantsika tsara angamba fa nisy teratany malagasy roa nalaina tao an-tranony tao Frantsa tao fa hoe halaina am-bavany amin'ny resaka fanohintohinana ny ain'ny Filoha Malagasy tamin'ny volana mey 2023 lasa teo iny. Tsy naharitra ela anefa ny fihazonana an'i Ernaivo Fanirisoa sy Marco Andrianisa dia samy tafody an-trano izy mianadahy mianaka ireo. Hevitra ambadiky ny "fisamborana" ny hoe mba tsy ahafahan'ireo olona roa ireo mihetsika mandritra ny fandalovan'ny Filoha malagasy any Frantsa. Angamba efa "hitan'ny masina" fa mety hampikorontana ny dian'ny Filoha any ivelany ny hetsika ataon'ireo na misy zavatra ataon'ireo mety hahavita tanteraka ny hoavin'ny Filoha mandritra izany fandalovana any ivelany izany. Kanjo moa dia ity resaka fahazoana zom-pirenena frantsay ity no nahoraka ary ny Filoha malagasy ankehitriny no nahazo izany zom-pirenena izany. Izay ny amin'iny rediredy iny fa andao amin'izay ary hanjohy ny fanazavana.
Ny Malagasy mpanaraka tambajotra sosialy dia ataoko fa samy nahita avokoa ireo taratasy izay voamarina fa tsy misy hosoka fa tena sarin-taratasy ofisialy mihitsy. Misy ihany koa ny taratasy iray manokana voasoanian'ny praiminisitra sy ny minisitry ny atitany frantsay. Efa nisy tany aloha tany namoaka ny sarin-karapanondrom-pirenena frantsay fa amin'izao andron'ny dizitaly/nomerika/ankihy izao dia mety ho mora ihany ny manamboamboatra iny fa iretsy taratasy roa voalaza etsy ambony iretsy kosa dia azo zohiana/fantarina tsara ny niaviany sy ny fahamarinany.
Tsy ho niteraka resabe ity zavatra ity raha tsy nisy ny lalànan'ny fizakàna zom-pirenena malagasy (didy hitsivolana 60 064 tamin'ny 22 jolay 1960) ka ao anatin'izany ny fahaverezan'ny zom-pirenena. Andininy faha-42 no mametraka fa VERY ny zom-pirenena malagasy raha naka araka ny sitrapony, rehefa tonga taona izy, zom-pirenena hafa ilay olona. Eto amin'ity andininy ity dia tsy misy filazana na oviana na oviana hoe mila mangataka ny fanesorana ny zom-pireneny malagasy izy...fa dia nariany tamin'ny fotoana nahazoany zom-pirenena hafa ny zom-pirenena maha-malagasy azy. Tsy voaresaka ao anatin'io andininy io sy ny manaraka hoe raha nolovaina ilay zom-pirenena hafa dia very ho azy ilay zom-pirenena maha-malagasy azy, tsia tsy misy izany ary efa m/nisy mpitondra ambony malagasy mizaka zom-pirenena frantsay fa tsy very zo maha-malagasy azy izy satria efa avy tany amin'ny ray aman-dreniny no nahazoany iny zom-pirenena iny.
Fa maninona ity raharaha ity no miteraka zavatra toa izao? Satria ve mpitondra ambony mety mbola ho lany indray izy raha mirotsaka sa ilay fanahin'ny fahazoana zom-pirenena hafa mihitsy no manahirana? Sa inona no fiantraikany raha olona nangataka zom-pirenena vahiny tahaka izany no lasa Filoham-pirenena?
Izay nangataka ny zom-pirenena frantsay nanaovany izany fangatahana izany ihany no afa-manamarina na mandiso ity resaka ity hoe: izay nanao fangatahana ka nahazo dia efa nianiana teo anatrehan'ny mpahay lalàna frantsay fa hiaro ny tombontsoan'i Frantsa amin'ny heriny rehetra. Raha marina izany toe-javatra izany dia tsy manana safidy ankoatra ny fiarovana tombontsoa frantsay izy raha misy mifandaka ny tombontsoa malagasy sy ny tombontsoa frantsay. Midika izany fa tsy ho afaka hiaro ny fiandrianam-pirenena malagasy ny olona tahaka izany nefa napetraka amin'ny fahefana ambony indrindra eto amin'ny firenena. Hatreo ihany no sahiko resahana satria manjary miteraka zavatra hafa be dia be ny resaka lalampanorenana manitsy mankany amin'ny filazana fa tsy tokony hitazona io andraikitra io mihitsy izy hatramin'ny nahazoany io zom-pirenena io.
Voasoratra 16.06.2023 tamin'ny blaogy teo aloha
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire