Hitan'ny mpanao gazety vahiny ny fitakiana nataon'ny olona nolazaina fa nifidy an'i Andry Rajoelina ny 300.000 ariary tamin'ireo QG maro manerana ny nosy, izay avy amin'ny fanampian'ny banky iraisampirenena ireo tena sahirana, rehefa vita ny fifidianana. Toy ny tsy misy ireo sary maro dia maro nameno ny tambajotra sosialy. Trano nofaina nandritra ny fanentanam-pifidianana ihany anefa ireny toerana ireny.
Tranga tsy fantatry ny besinimaro loatra ny fisian'ny raindrambaiko na "application" amin'ny smartfindain'ny lehiben-tsekoly entina anoratana ny anaran'ireo mpikambana vaovao an'ny Antoko TGV.
Hitan'ny rehetra ireo hetsika tratran'ny famoretana sy ny fatahoran'ny mpanohitra ny Jeneraly Baomba ka mahatonga azy ireo tsy mahasahy mihetsika intsony.
Lazaina fa tsahotsaho tamin'izany fa navoakan'ny gazety Le Monde ny fisian'ny vondron'olona misarontava efa nihaodihaody tamin'ny tranon'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena eny Andohanimandroseza ka voatery nandosirany. Efa nandrahona ireo "mpanely tsaho" tamin'izany toe-javatra izany anefa ny sampana mitam-basy fa lainga noforonina izany.
Tsy adinon'ny gazety vahiny ihany koa ny fanafihana ilay fiara tsy mataho-dalana misoratra amin'ny fanjakana ary namonoana tsy misy antra izay rehetra tao anatin'izany fiara izany ka nilazan'ny zandary fa jiolahy ny tao fa maro kosa no tsy misy izany. Manahy anefa aho fa tsy ho hita intsony izay tena marina momba io raharaha io satria efa maty avokoa ny lasibatra tamin'io toe-javatra io.
Farany, tsy nahitana soritra hafaliana loatra teo amin'ny manodidina rehefa nivoaka mbola tsy ofisialy ny lazaina ho valim-pifidianana izay heverin'ny kandidà maro anisa ho toy ny tsy misy ka heverin'ny mpanohana azy ireo ho toy ny tsy misy tokoa.
Raha tsy nihetsika ny olona tsy midika izany fa mankatoa ny zavatra navoakan'ny vaomieran'ny fifidianana tahaka ny mitady ho aderaderany io vahoaka io.
25.11.23
Rehefa ny vahiny no mamoaka ny vaovao vao azo itokisana?
19.11.23
Ninie Donia, maty ho fiarovana ny mpiray tanindrazana aminy! [nohavaozina]
Nodimandry androany 19 novambra 2023 maraina, teny an-dalana nalefa "ambulance" hamonjy ny Hopitalin'Antsiranana ny mpanjakavavin'ny salegy, ngadon-kira ao avaratr'i Madagasikara, fantatra amin'ny maha-artista azy hoe Ninie Donia. Efa ambolana maro izy no nogadraina ary narary tamin'izany sy nandritra izany fanagadràna azy izany. Ny tena anarany kosa dia BEZARA Eliane Virginie.
Teraka tamin'ny 15 aogositra 1967 tao Nosy-Be Hell-Ville i BEZARA Eliane Virginie, zanak'i BEZARA Jean Joseph sy KALOZAFY Bibiane izay samy efa maty. Mananjanaka mirahalahy koa izy izay antsoina hoe POTHIN Jean de Dieu sy TONGAZARA Christoly.
Ankoatra ny maha-mpihira azy dia mpikatroka sady mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ny RMDM ao Nosy-Be ihany koa ny tenany ary be no mihevitra fa noho ny antony politika mihitsy no nanenjehana sy nisamborana azy. Ny omaly vao omaly ny zanany iray no niantso vonjy an-tambajotra sosialy, hanao fanangonam-bola hitsaboana ny reniny izay efa tena voa mafy.
Raha iverenana kely ny tantara dia nosamborin'ny zandary tao Nosy-Be ratompokovavy tamin'ny 17 desambra 2021 noho ny fanoherany ny fanesorana ny olona nipetraka (nibodo teo satria tsy nanana taratasy amin'izany?) teo efa am-polony taona maro (mba tsy ilazàna hoe an-jatony taona satria efa nipetrahan-dry zareo Zafinifotsy talohan'ny fanjanahantany ny toerana no lasa nambolen'ny voanjo fary). Ny SIRAMA moa taty aoriana no nandimby ireo voanjo ireo.
Nosamborina izy noho ny fitorian'ny Tale Jeneralin'ny SIRAMA (Raha jerena amin'ny fizotran-tantara dia efa azon'ny JIRAMA ny toerana) izay milaza fa hiaro ny tany hatramin'ny farany araka ny lalàna mihatra eto amin'ny tany sy ny firenena. Voalaza fa anisan'ny nitory azy ihany koa ny Fanjakana Malagasy. Re manko tamin'izany fa hanaovana "projet présidentiels" ilay toerana ka izany no anesorana ireo olona amin'ny fonenany, toa tetika anesorana ny olona no iheverana izany tetikasa izany fa misy ireo mihevitra fa misy vondron'olona te-haka ny tany tsotra izao ao ambadika ao.
Nentina ho anaovana fanadihadiana tao Ambohibory, akaikin'ny seranam-piaramanidin'i Fascène, izy tamin'izany fisamborana azy izany. Raha nahare izany fisamborana azy izany ny mpanara-dia azy dia nifamory tao Bazaribe avy hatrany tamin'io andron'ny 17 desambra 2021 io. Noho ny fahamaroan'ny vahoaka vonona ny hiaro azy io no namotsorana azy tamin'ity fotoana ity. Anisany anenjehana an'i Ninie Donia moa tamin'ity fotoana ity ny fiampangana azy ho mizara ny tanin'ny SIRAMA.
Nony tonga ny volana avrily 2022, nanao fameloma-maso indray ny Antoko TIM tao Antsiranana ity artista manana ny lazany ity fa nosembatsembanina tamin'izany hetsika nataony izany. Nampanantsoina tany amin'ny Biraon'ny mpitandro ny filaminana izy sy ny namany avy eo noho io hetsika voalaza io. Nosamborina indray izy ny volana jona 2022 noho io resaka adi-tany io ihany, ary notsaraina tamin'ny faramparan'io volana jona 2022 io ka nomelohina higadra enimbolana sazy mihatra. Ny fizotran-tantara no nampihevitra ireo olona akaiky azy fa mifamatotra amin'ny resaka politika ity fanagadrana ity.
Raha tokony navoaka noho ny fahavitan'ny saziny ilay mpihira tamin'ny 16 desambra 2022 dia notazonina vonjimaika indray satria misy ny vesatra vaovao miandry azy ho mamory olona hanao dahalo na firaisana tsikombakomba amin'ny dahalo. Zavatra iray maharary ny fianakaviany izany fitoriana izany satria heverina ho dahalo izany ny Zafinifotsy tompontany ao Nosy-Be. Nialoha kely io fotoana io, ny 23 novambra 2022, ny taratasim-pahasalamana (Certificat Medical) nataon'ny Lehiben'ny Toeram-pitsaboana CHRD ao Nosy Be ny tokony handefasana azy hotsaboina amin'ny toerana tsara kokoa (évacuation sanitaire). Tokony ho ny volana janoary izy no nalefa tao Mayotte fa tsy navela.
Nivoaka indray avy eo ny didy vaovao higadrany 18 volana sazy mihatra noho ny fandrisihana hanao fanakorontanana (trouble à l'ordre public) noho ny fanakanana nataony tamin'ny fandraofan-tany saika hataon'ny mpanambola. Tamin'ny 25 avrily 2023 no nivoahan'izany didy famonjana izany. Vesatra fito no nanamelohana azy tamin'io.
Tamin'ny fiandohan'ny volana aogositra 2023, nandohalika teo ambony sehatra, nangataka tamin'ny Filohan'ny Repoblika tamin'izany fotoana izany (Andry Rajoelina), nandritra ny fetibe Sômarôho fahafolo tao amin'ny kianjan'Ambodivoanio ao Nosy-Be, ny artista iray hafa malaza antsoina hoe Joël Isoubaly Andriamahazo alias Wawa, amin'ny hamotsorana amin'izay an'i Ninie Donia fa efa ampy izay famonjana azy izay. Naely tamin'izany fotoana izany fa navotsotra izy taorian'io nefa tsy nisy velively izany famotsorana azy izany.
Ankehitriny, nodimandry ilay mpanjakavavin'ny salegy. Lasa ilay mpikatroka teratany niezaka hiaro ny taniny manoloana ny fandraofan'ny vahiny ny tany ao Nosy-Be, toerana iray malaza amin'ny fizahantany. Be ireo nalahelo sy tezitra tamin'ny nataon'ny politisiana sy ny rafi-pitsarana namelezana ity mpitarika avy ao amin'ny fanoherana ity. Eo imason'ny maro dia maritioran'ny fitiavan-tanindrazana izy. Lasa izy fa ny tolona hiarovana ny tany tsy ho lasan'ny vahiny kosa mbola mitohy. Anjaranao izay mbola velona no manohy izany tolona izany raha te-hanaja ny tolona nataony ianao fa tsy fitserana intsony.
Ny alarobia, mialoha ny alakamisy fanitrihana, nanafatra ny zanak'i Ninie Donia any ampitan-dranomasina hody fa tsy mila orange ry zareo, tsy mila olona miakanjo orange ny dikan'izany. Tsy ilaina manatrika amin'ny fandevenana ihany koa ny fitondram-panjakana sy izay mety ho solontenam-panjakana.
Nialoha ny androm-panitrihana dia feno hipoka ny salle d'oeuvre catholique nametrahana ny razana mialoha fanitrihana araka ny hita amin'ny sary eto ambany:
Ary toa izao kosa ny ampahan-dahatsary tamin'ny nanafenana azy izay efa takariva no natao, tsy fantatro na manaja ny tsy fandevenan'ny maro alakamisy ry zareo na tsia fa rava moa ny fady tahaka ireny raha misy rehefa milentika ny masoandro.
Fanampiny: Raha nikasa hanely ity ranty ity tao amin'ny Facebook aho dia gaga fa tsy mahazo mivoaka ao satria mihoa-pampana ny zavatra voalaza?
14.11.23
Nosamborina ny kandidà Paraina Auguste ary navotsotra tsy nisy fiampangana avy eo!
Toy ny vara-datsaka ny filazana nataony fa nisy nampanantsoin'ny fitsarana any Londres noho ny raharaha Romy Voos amin'ny 30 novambara 2023 ho avy izao. Nampanantsoin'ny sampana miady amin'ny heloka an'habaka ny kandidà Paraina... fa tsy tonga ary nosamborin'ny polisy. Heloka iampangana azy ny fampielezana vaovao tsy marina sy fanalambaràka olona ary fandrisihana ny hafa hankahala olona.
Efa hisasak'alina dia navotsotra tsy nisy fiampangana indray ity kandidà ity rehefa nanao fialan-tsiny fa tsy voamarina ilay vaovao noraisiny. Fialan-tsiny ankaterena no iheveran'ny maro azy mba ahafahany mivotsotra tahaka izao. Mety ho nitranga ny famotsorana noho ny filazan'ny vondron'ny kandidà fa manaporofo ny tsi-fetezan'ny fifidianana ny fisamborana kandidà tahaka izao.
13.11.23
Ahiahy fanonganam-panjakana nitranga teto Madagasikara 2023
Feno
ny fepetra rehetra ahafahana milaza fa fanonganam-panjakana no misy eto
Madagasikara amin'izao fotoana izao.Niandoha izany tamin'ny
fanontanian'ny Praiminisitra Ntsay Christian ny amin'ny ambaran'ny
lalampanorenana amin'ny famindram-pahefana rehefa mirotsaka ny Filoha.
Toa fampiomanana. Maninona no manao fanontaniana tahaka izany raha tsy
misy zavatra kendrena. Ankehitriny ianao no lasa mitondra fa tsy ilay
voalazan'ny Lalampanorenana.
Avy eo tsy misy filazana
ampahibemaso hoe niala ny Filoha Rajoelina, toa miandriandry zavatra hoe
raha vao tsy ekena eo ny filatsahako dia tazoniko ihany ity toerana
ity. Mitohy amin'izany, tsy misy fisehoana famindram-pahefana ve izany
tahaka ilay "geste" natao tamin-dRajaonarimampianina iny fa dia hoe
"veloma vetivety"?
Tena veloma vetaveta ilay filazana nataony fa
maneho hoe tsy vonona hiala amin'ny toerany izy, toa tsy misy afa-tsy
izao no hitranga dia hoe handresy izy, tsy azo sainina ny hoe mety ho
resy izy.
Tsy hay izay tena mitranga any ambadika any. Misy
mihaino ve sa azo henoina ny adihevitra nifanaovan'ny samy mpitsara
nandritra ny fotoana iandrasan'ny vahoaka izay ho kandidà ofisialy? Tsy
mety resy lahatra ny saiko hoe nanaiky sy resy lahatra amin'ny tokony
hirotsahan-dRajoelina ny maro an'isa amin'ny mpitsara avo na dia
miharihary aza ny fitorian'ireo kandidà hafa. Misy ambana tsy hitan'ny
vahoaka maso any ambadimbadika any fa hivoaka ho azy eo ihany ny marina.
Dia
gaga ny mpiara-belona fa tsy mahefa hitantana vonjimaika ny fitondrana,
hono, ny filohan'ny Antenimiera, noho ny antony manokana azy. Mbola
ambana tsy hitan'ny besinimaro mivantana ihany koa izany araka ny
fijeriko.
Ary ny tena mahavariana, toa niniana natao hikorontana
izany ny toe-draharaha eto amin'ny firenena hikorontanan'ny sain'ny
mpanara-baovao... nahatsiahy avy hatrany ny 17 marsa 2009 anefa ny tena
tao anatin'izany rehetra izany. Tsy nisy hanaiky lembenana moramora
izany ny olona fa nisy zavatra tsy azo anoharana ao matoa nanaiky "tsy
fidiny" ireo tompon'andraikitra rehetra mampivoaka an'i Madagasikara tsy
hanaraka ny tondroin'ny Lalampanorenana.
Hitsiko ny EKAR mbola
manasa ny Kandidà ho tahaka ny mbola filoha am-perinasa. Tsy maintsy ho
maro ny manana ratram-po noho ireo toe-javatra tantaraina ireo. Fa ny
mahagaga koa... maninona ianao no tsy nitsidika ny hopitaly fa ny manana
ny maratra sy ny maty indray no asainao mankany amin'ny lapam-panjakana
Iavoloha? Moa ve tsy vao maika mampisy ny ahiahy izany fa tena natao
sorona ny havan'ireo olona ireo?
"Golpista un jour, golpista pour toujours"
Voasoratra tamin'ny 10.9.2023 tamin'ny blaogy teo aloha
Adihevitra fahaverezana zom-pirenena
Efa ela no te-hanoratra saingy androany angamba vao tontosa izy ity. Lohahevitra hafa no nokasaina fa tonga amin'ity lohahevitra tsy noheverina ity fa kibo saoky ny nahiny. Nisy nanapongatra tampoka taorian'ny fihaonan'ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron ny taratasy voasonian'ny tompon'andraikitra frantsay sy ny gazetim-panjakana nanondro fa nahazo (rehefa nangatahana) ny zom-pirenena frantsay tamin'ny 19 novambra 2014 ny Filoha malagasy ankehitriny sy ny vady aman-janany. Misy ireo miteny, fa tsy misy porofo, hoe hatramin'ny nanomanana ny fanonganana ny Filoha Ravalomanana no efa nanaovana ny fangatahana ho fiarovan-tena raha sanatria ka tsy nahomby ny raharaha.
Rediredy kely mialoha ny ventin-dresaka, tsaroantsika tsara angamba fa nisy teratany malagasy roa nalaina tao an-tranony tao Frantsa tao fa hoe halaina am-bavany amin'ny resaka fanohintohinana ny ain'ny Filoha Malagasy tamin'ny volana mey 2023 lasa teo iny. Tsy naharitra ela anefa ny fihazonana an'i Ernaivo Fanirisoa sy Marco Andrianisa dia samy tafody an-trano izy mianadahy mianaka ireo. Hevitra ambadiky ny "fisamborana" ny hoe mba tsy ahafahan'ireo olona roa ireo mihetsika mandritra ny fandalovan'ny Filoha malagasy any Frantsa. Angamba efa "hitan'ny masina" fa mety hampikorontana ny dian'ny Filoha any ivelany ny hetsika ataon'ireo na misy zavatra ataon'ireo mety hahavita tanteraka ny hoavin'ny Filoha mandritra izany fandalovana any ivelany izany. Kanjo moa dia ity resaka fahazoana zom-pirenena frantsay ity no nahoraka ary ny Filoha malagasy ankehitriny no nahazo izany zom-pirenena izany. Izay ny amin'iny rediredy iny fa andao amin'izay ary hanjohy ny fanazavana.
Ny Malagasy mpanaraka tambajotra sosialy dia ataoko fa samy nahita avokoa ireo taratasy izay voamarina fa tsy misy hosoka fa tena sarin-taratasy ofisialy mihitsy. Misy ihany koa ny taratasy iray manokana voasoanian'ny praiminisitra sy ny minisitry ny atitany frantsay. Efa nisy tany aloha tany namoaka ny sarin-karapanondrom-pirenena frantsay fa amin'izao andron'ny dizitaly/nomerika/ankihy izao dia mety ho mora ihany ny manamboamboatra iny fa iretsy taratasy roa voalaza etsy ambony iretsy kosa dia azo zohiana/fantarina tsara ny niaviany sy ny fahamarinany.
Tsy ho niteraka resabe ity zavatra ity raha tsy nisy ny lalànan'ny fizakàna zom-pirenena malagasy (didy hitsivolana 60 064 tamin'ny 22 jolay 1960) ka ao anatin'izany ny fahaverezan'ny zom-pirenena. Andininy faha-42 no mametraka fa VERY ny zom-pirenena malagasy raha naka araka ny sitrapony, rehefa tonga taona izy, zom-pirenena hafa ilay olona. Eto amin'ity andininy ity dia tsy misy filazana na oviana na oviana hoe mila mangataka ny fanesorana ny zom-pireneny malagasy izy...fa dia nariany tamin'ny fotoana nahazoany zom-pirenena hafa ny zom-pirenena maha-malagasy azy. Tsy voaresaka ao anatin'io andininy io sy ny manaraka hoe raha nolovaina ilay zom-pirenena hafa dia very ho azy ilay zom-pirenena maha-malagasy azy, tsia tsy misy izany ary efa m/nisy mpitondra ambony malagasy mizaka zom-pirenena frantsay fa tsy very zo maha-malagasy azy izy satria efa avy tany amin'ny ray aman-dreniny no nahazoany iny zom-pirenena iny.
Fa maninona ity raharaha ity no miteraka zavatra toa izao? Satria ve mpitondra ambony mety mbola ho lany indray izy raha mirotsaka sa ilay fanahin'ny fahazoana zom-pirenena hafa mihitsy no manahirana? Sa inona no fiantraikany raha olona nangataka zom-pirenena vahiny tahaka izany no lasa Filoham-pirenena?
Izay nangataka ny zom-pirenena frantsay nanaovany izany fangatahana izany ihany no afa-manamarina na mandiso ity resaka ity hoe: izay nanao fangatahana ka nahazo dia efa nianiana teo anatrehan'ny mpahay lalàna frantsay fa hiaro ny tombontsoan'i Frantsa amin'ny heriny rehetra. Raha marina izany toe-javatra izany dia tsy manana safidy ankoatra ny fiarovana tombontsoa frantsay izy raha misy mifandaka ny tombontsoa malagasy sy ny tombontsoa frantsay. Midika izany fa tsy ho afaka hiaro ny fiandrianam-pirenena malagasy ny olona tahaka izany nefa napetraka amin'ny fahefana ambony indrindra eto amin'ny firenena. Hatreo ihany no sahiko resahana satria manjary miteraka zavatra hafa be dia be ny resaka lalampanorenana manitsy mankany amin'ny filazana fa tsy tokony hitazona io andraikitra io mihitsy izy hatramin'ny nahazoany io zom-pirenena io.
Voasoratra 16.06.2023 tamin'ny blaogy teo aloha
12.11.23
Blaogy vaovao!
Noho ny toe-javatra nahazo ny kaontiko google ankevitry ny nisy nisompatra dia voatery aho mamindra ny votoaty rehetra tany amin'ny blaogy taloha iray ho ato. Ezahana noho izany ny mamindra izay rehetra voasoratra tato ho ato
Fetsy mihitsy ity fitondrana ity!
Tao ho ao, nihazakazaka ireo etamazaoro politika amin'ny fanolorana izay ho kandidàn'ny antokony. Samy nihevitra avokoa fa ny fifidi...
-
Tao ho ao, nihazakazaka ireo etamazaoro politika amin'ny fanolorana izay ho kandidàn'ny antokony. Samy nihevitra avokoa fa ny fifidi...
-
Noho ny antony manokana dia saika tsy hanoratra ho hitam-bahoaka intsony amin'ny zavatra tahaka itony. Noho ny fitiavana isian'ny t...
-
Nodimandry androany 19 novambra 2023 maraina, teny an-dalana nalefa "ambulance" hamonjy ny Hopitalin'Antsiranana ny mpanjakava...