19.11.23

Ninie Donia, maty ho fiarovana ny mpiray tanindrazana aminy! [nohavaozina]

Nodimandry androany 19 novambra 2023 maraina, teny an-dalana nalefa "ambulance" hamonjy ny Hopitalin'Antsiranana ny mpanjakavavin'ny salegy, ngadon-kira ao avaratr'i Madagasikara, fantatra amin'ny maha-artista azy hoe Ninie Donia. Efa ambolana maro izy no nogadraina ary narary tamin'izany sy nandritra izany fanagadràna azy izany. Ny tena anarany kosa dia BEZARA Eliane Virginie.

Teraka tamin'ny 15 aogositra 1967 tao Nosy-Be Hell-Ville i BEZARA Eliane Virginie, zanak'i BEZARA Jean Joseph sy KALOZAFY Bibiane izay samy efa maty. Mananjanaka mirahalahy koa izy izay antsoina hoe POTHIN Jean de Dieu sy TONGAZARA Christoly.

Ankoatra ny maha-mpihira azy dia mpikatroka sady mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ny RMDM ao Nosy-Be ihany koa ny tenany ary be no mihevitra fa noho ny antony politika mihitsy no nanenjehana sy nisamborana azy. Ny omaly vao omaly ny zanany iray no niantso vonjy an-tambajotra sosialy, hanao fanangonam-bola hitsaboana ny reniny izay efa tena voa mafy.

Raha iverenana kely ny tantara dia nosamborin'ny zandary tao Nosy-Be ratompokovavy tamin'ny 17 desambra 2021 noho ny fanoherany ny fanesorana ny olona nipetraka (nibodo teo satria tsy nanana taratasy amin'izany?) teo efa am-polony taona maro (mba tsy ilazàna hoe an-jatony taona satria efa nipetrahan-dry zareo Zafinifotsy talohan'ny fanjanahantany ny toerana no lasa nambolen'ny voanjo fary). Ny SIRAMA moa taty aoriana no nandimby ireo voanjo ireo.



Nosamborina izy noho ny fitorian'ny Tale Jeneralin'ny SIRAMA (Raha jerena amin'ny fizotran-tantara dia efa azon'ny JIRAMA ny toerana) izay milaza fa hiaro ny tany hatramin'ny farany araka ny lalàna mihatra eto amin'ny tany sy ny firenena. Voalaza fa anisan'ny nitory azy ihany koa ny Fanjakana Malagasy. Re manko tamin'izany fa hanaovana "projet présidentiels" ilay toerana ka izany no anesorana ireo olona amin'ny fonenany, toa tetika anesorana ny olona no iheverana izany tetikasa izany fa misy ireo mihevitra fa misy vondron'olona te-haka ny tany tsotra izao ao ambadika ao.

Nentina ho anaovana fanadihadiana tao Ambohibory, akaikin'ny seranam-piaramanidin'i Fascène, izy tamin'izany fisamborana azy izany. Raha nahare izany fisamborana azy izany ny mpanara-dia azy dia nifamory tao Bazaribe avy hatrany tamin'io andron'ny 17 desambra 2021 io. Noho ny fahamaroan'ny vahoaka vonona ny hiaro azy io no namotsorana azy tamin'ity fotoana ity. Anisany anenjehana an'i Ninie Donia moa tamin'ity fotoana ity ny fiampangana azy ho mizara ny tanin'ny SIRAMA. 



Nony tonga ny volana avrily 2022, nanao fameloma-maso indray ny Antoko TIM tao Antsiranana ity artista manana ny lazany ity fa nosembatsembanina tamin'izany hetsika nataony izany. Nampanantsoina tany amin'ny Biraon'ny mpitandro ny filaminana izy sy ny namany avy eo noho io hetsika voalaza io. Nosamborina indray izy ny volana jona 2022 noho io resaka adi-tany io ihany, ary notsaraina tamin'ny faramparan'io volana jona 2022 io ka nomelohina higadra enimbolana sazy mihatra. Ny fizotran-tantara no nampihevitra ireo olona akaiky azy fa mifamatotra amin'ny resaka politika ity fanagadrana ity.

Raha tokony navoaka noho ny fahavitan'ny saziny ilay mpihira tamin'ny 16 desambra 2022 dia notazonina vonjimaika indray satria misy ny vesatra vaovao miandry azy ho mamory olona hanao dahalo na firaisana tsikombakomba amin'ny dahalo. Zavatra iray maharary ny fianakaviany izany fitoriana izany satria heverina ho dahalo izany ny Zafinifotsy tompontany ao Nosy-Be. Nialoha kely io fotoana io, ny 23 novambra 2022, ny taratasim-pahasalamana (Certificat Medical) nataon'ny Lehiben'ny Toeram-pitsaboana CHRD ao Nosy Be ny tokony handefasana azy hotsaboina amin'ny toerana tsara kokoa (évacuation sanitaire). Tokony ho ny volana janoary izy no nalefa tao Mayotte fa tsy navela.   

Nivoaka indray avy eo ny didy vaovao higadrany 18 volana sazy mihatra noho ny fandrisihana hanao fanakorontanana (trouble à l'ordre public) noho ny fanakanana nataony tamin'ny fandraofan-tany saika hataon'ny mpanambola. Tamin'ny 25 avrily 2023 no nivoahan'izany didy famonjana izany. Vesatra fito no nanamelohana azy tamin'io.

Tamin'ny fiandohan'ny volana aogositra 2023, nandohalika teo ambony sehatra, nangataka tamin'ny Filohan'ny Repoblika tamin'izany fotoana izany (Andry Rajoelina), nandritra ny fetibe Sômarôho fahafolo tao amin'ny kianjan'Ambodivoanio ao Nosy-Be, ny artista iray hafa malaza antsoina hoe Joël Isoubaly Andriamahazo alias Wawa, amin'ny hamotsorana amin'izay an'i Ninie Donia fa efa ampy izay famonjana azy izay. Naely tamin'izany fotoana izany fa navotsotra izy taorian'io nefa tsy nisy velively izany famotsorana azy izany. 



Ankehitriny, nodimandry ilay mpanjakavavin'ny salegy. Lasa ilay mpikatroka teratany niezaka hiaro ny taniny manoloana ny fandraofan'ny vahiny ny tany ao Nosy-Be, toerana iray malaza amin'ny fizahantany. Be ireo nalahelo sy tezitra tamin'ny nataon'ny politisiana sy ny rafi-pitsarana namelezana ity mpitarika avy ao amin'ny fanoherana ity. Eo imason'ny maro dia maritioran'ny fitiavan-tanindrazana izy. Lasa izy fa ny tolona hiarovana ny tany tsy ho lasan'ny vahiny kosa mbola mitohy. Anjaranao izay mbola velona no manohy izany tolona izany raha te-hanaja ny tolona nataony ianao fa tsy fitserana intsony.

Ny alarobia, mialoha ny alakamisy fanitrihana, nanafatra ny zanak'i Ninie Donia any ampitan-dranomasina hody fa tsy mila orange ry zareo, tsy mila olona miakanjo orange ny dikan'izany. Tsy ilaina manatrika amin'ny fandevenana ihany koa ny fitondram-panjakana sy izay mety ho solontenam-panjakana.
 


Nialoha ny androm-panitrihana dia feno hipoka ny salle d'oeuvre catholique nametrahana ny razana mialoha fanitrihana araka ny hita amin'ny sary eto ambany:


Ary toa izao kosa ny ampahan-dahatsary tamin'ny nanafenana azy izay efa takariva no natao, tsy fantatro na manaja ny tsy fandevenan'ny maro alakamisy ry zareo na tsia fa rava moa ny fady tahaka ireny raha misy rehefa milentika ny masoandro.


 

Fanampiny: Raha nikasa hanely ity ranty ity tao amin'ny Facebook aho dia gaga fa tsy mahazo mivoaka ao satria mihoa-pampana ny zavatra voalaza? 





Aucun commentaire:

Fetsy mihitsy ity fitondrana ity!

Tao ho ao, nihazakazaka ireo etamazaoro politika amin'ny fanolorana izay ho kandidàn'ny antokony. Samy nihevitra avokoa fa ny fifidi...