27.12.24

Voafitaka indray ireo mpomba ny laoranjy vaovao?

Raha namaky ity fanazavana ity tamin'ny voalohany aho dia noheveriko ho hadrohadro avy amin'ny mpanohitra ilay izy. Rehefa nojerena tsara indray anefa dia hita fa tena avy amin'ny mpanohana ny laharana fahatelo (TGV) tamin'ny tsi-fifidianana farany teo tokoa ilay izy. Dia nanapa-kevitra aho ny hamoaka azy eto ho tahirin-tantara.

Fanazavana ho an'izay tsy mahazo resaka momba ilay carte orange sy hoe vola 300.000 ariary. (19 novambra 2023)

Alalana avy aiza no hitakianareo vola 300.000 (ar) aty aminay mpitarika TGV no hoe homena vola ianareo(?) tsy nisy nanery anareo hoe fidio Andry Rajoelina dia mahazo 300.000 ariary ianareo.
Matoa mifidy azy dia tia azy izany, fa tsy misy vola.

Raha atambatra ny vatsy tsinjo sy tosika fameno, ny tee-shirt azonareo hatramin'izay dia efa misy 300.000 Ar. Ilay carte orange kosa dia karatra maha-mpikambana fotsiny ihany fa tsy misy milaza mihitsy hoe misy vola iny carte iny, mpikambana raikitra ao amin'ny TGV ianao raha vao misy sarinao iny, ary voasoratra any amin'ny bokin'ny TGV ny anaranao ka tsy ho voakosoka intsony. Ary ny TGV dia fikambanana manerantany ka sady voasoratra eto Madagasikara ianao no voasoratra any ivelany ho an'izay nahazo carte. Ary ireo mpizara sy mpanoratra anarana ihany koa dia efa mpikambana toy izany.

Ny azonay atao dia misaotra antsika rehetra nifidy an'i président Andry Rajoelina, tompoko.

Koa ilazana ianareo tsy hivezivezy any amin'ny tranon'ireo mpanentana fa samia manohy ny fiainany andavanandro amin'izay, antsoina ihany ianareo amin'ny fifidianana manaraka fa efa aty aminay ny adiresy sy ny mombamomba anareo.

Ny ampitso indray (20 novambra 2023) dia mitohy izany fanazavana izany :

Mbola misy manontany ahy foana androany momba ilay carte dia hanazava indray aho
Aoka tsy hifandrebireby intsony, fa ajanony amin'izay iny resaka carte iny fa tsy nifanaraka taminareo mihitsy Izahay hoe fidio président Rajoelina dia omena vola ianareo, carte natao fotsiny hampidirana anareo ao anaty TGV Ary entina manoratra ny anjaranareo, ka na aiza na aiza eto ambonin'ny tany misy TGV dia efa hita any ny anjaranareo, ny adiresy, ny sary,
Amin'ny fifidianana manaraka ndray hianareo antsoina rehefa misy ilàna anareo, fa ny amin'ity aloha  aleo vita amin'ireny vatsy tsinjo sy tosika fameno ireny fa efa mihoatra ny 300.000ar ireny raha atambatra ka tsy misy homena intsony amin'ity
Efa betsaka ireny azonareo taloha ireny, efa mihoatra ny 300.000ar ka MBA ataovy ampy ireny

Manampy izany ny fanazavana avy amin'ny hafa manao hoe tsy misy "carte bancaire" misy sary tapaka izany! (lahatsoratra tamin'ny 20 novambra 2023)

14.2.24

Fetsy mihitsy ity fitondrana ity!

Tao ho ao, nihazakazaka ireo etamazaoro politika amin'ny fanolorana izay ho kandidàn'ny antokony. Samy nihevitra avokoa fa ny fifidianana Ben'ny tanàna no hotanterahana mialoha ny fifidianana solombavambahoaka. Kanjo dia ny fifidianana solombavambahoaka no novolavolain'ny CENI hotontosaina amin'ny 29 mey 2024 fa ny fifidianana Ben'ny tanàna kosa amin'ny 06 novambra 2024 vao hotontosaina. Mahazendana izany toe-javatra izany satria ny Ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina no efa tsy tokony hiasa intsony, fa ny fanjakana no nanitatra ny fotoam-piasan-dry zareo.

Porofo indray fa tsy manana fahaleovantenany izany CENI izany na misy an'izany aza ao amin'ny anarany. Izay tian'ny ao amin'ny fitondrana ihany no asainy lazaina. Manaraka izany, rehefa tena miomana ireo etamazaoro politika dia avadika kely ny baolina ka any amin'ny fifidianana depiote indray aloha no alefa. Miharihary ny antony, raha tsy maty paika ny fiarovana ny safidin'ny mpifidy dia azo atao ny manodikodina ny vato. Manaraka izany, karazana tsindry atao amin'ny vahoaka ihany no kinendry amin'ny hoe efa hitanareo io ny lokon'ny solombavam-bahoaka koa dia tokony ho fantatrareo ihany koa ny loko arahina rehefa hifidy Ben'ny tanàna.

Fa tsy vatery ho tontosa avokoa ny kinendry sy ny hafetsena raha mahiratra ny mpifaninana.


7.2.24

Kôlerà

 Noho ny antony manokana dia saika tsy hanoratra ho hitam-bahoaka intsony amin'ny zavatra tahaka itony. Noho ny fitiavana isian'ny tahiry kosa dia aleo indray apetraka ny fisian'izany hoe Mandady ao Kômôro hoe izany kôlerà izany. Dia nanapa-kevitra ny governoran'i Boeny, izay ifamezivezen'ny komoriana betsaka, ny hanakana ny fidiran'ny olona avy any. Tsy nanaiky izany, hono, ny fanjakana foibe fa tsy azo sakanana amin'izany ny olona. Dia nolazaina fa tsy maintsy mihiboka dimy andro izay miditra avy any Kômôro. Raha ny hita tany aloha dia sarotra ny mihevitra isian'izany fihibohana dimy andro izany fa mety ho vitan'ny manome vola kely dia afaka mandeha 'mody' avy hatrany na mankany amin'izay ivantanana.

Be ireo mihomehy hoe vola mety hiditra amin'ny fanjakana ve hosakanana fa aleo hoavy ny aretina hanaovana fangatahana amin'ny iraisampirenena. Fomba fiheverana izany fa tsy hay aloha izay tena ho avy eo! Enga anie mba tsy ho tonga eto fotsiny izany areti-mandripaka izany!

7.12.23

Tantarao Isan'Andro: Ry mpanohitra, mbola hofitahanareo indray ilay vahoaka?

Tantarao Isan'Andro: Ry mpanohitra, mbola hofitahanareo indray ilay vah...Eny, tsy ny mpitondra tokoa no hokianiko eto fa ny mpanohitra, na ireo milaza tena ho mpitarika ao amin'ny fanoherana eto Madagasikara. Mitendry milina indray noho ny fahatezerana, tezitra satria mahatsiaro ho voafitaka, mahatsiaro hoe hay tena kely hery sy katahotra izaitratra ireto mpitarika ao amin'ny fanoherana ireto.

25.11.23

Rehefa ny vahiny no mamoaka ny vaovao vao azo itokisana?

Hitan'ny mpanao gazety vahiny ny fitakiana nataon'ny olona nolazaina fa nifidy an'i Andry Rajoelina ny 300.000 ariary tamin'ireo QG maro manerana ny nosy, izay avy amin'ny fanampian'ny banky iraisampirenena ireo tena sahirana, rehefa vita ny fifidianana. Toy ny tsy misy ireo sary maro dia maro nameno ny tambajotra sosialy. Trano nofaina nandritra ny fanentanam-pifidianana ihany anefa ireny toerana ireny.

Tranga tsy fantatry ny besinimaro loatra ny fisian'ny raindrambaiko na "application" amin'ny smartfindain'ny lehiben-tsekoly entina anoratana ny anaran'ireo mpikambana vaovao an'ny Antoko TGV.

Hitan'ny rehetra ireo hetsika tratran'ny famoretana sy ny fatahoran'ny mpanohitra ny Jeneraly Baomba ka mahatonga azy ireo tsy mahasahy mihetsika intsony.

Lazaina fa tsahotsaho tamin'izany fa navoakan'ny gazety Le Monde ny fisian'ny vondron'olona misarontava efa nihaodihaody tamin'ny tranon'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena eny Andohanimandroseza ka voatery nandosirany. Efa nandrahona ireo "mpanely tsaho" tamin'izany toe-javatra izany anefa ny sampana mitam-basy fa lainga noforonina izany.

Tsy adinon'ny gazety vahiny ihany koa ny fanafihana ilay fiara tsy mataho-dalana misoratra amin'ny fanjakana ary namonoana tsy misy antra izay rehetra tao anatin'izany fiara izany ka nilazan'ny zandary fa jiolahy ny tao fa maro kosa no tsy misy izany. Manahy anefa aho fa tsy ho hita intsony izay tena marina momba io raharaha io satria efa maty avokoa ny lasibatra tamin'io toe-javatra io.

Farany, tsy nahitana soritra hafaliana loatra teo amin'ny manodidina rehefa nivoaka mbola tsy ofisialy ny lazaina ho valim-pifidianana izay heverin'ny kandidà maro anisa ho toy ny tsy misy ka heverin'ny mpanohana azy ireo ho toy ny tsy misy tokoa.

Raha tsy nihetsika ny olona tsy midika izany fa mankatoa ny zavatra navoakan'ny vaomieran'ny fifidianana tahaka ny mitady ho aderaderany io vahoaka io.

19.11.23

Ninie Donia, maty ho fiarovana ny mpiray tanindrazana aminy! [nohavaozina]

Nodimandry androany 19 novambra 2023 maraina, teny an-dalana nalefa "ambulance" hamonjy ny Hopitalin'Antsiranana ny mpanjakavavin'ny salegy, ngadon-kira ao avaratr'i Madagasikara, fantatra amin'ny maha-artista azy hoe Ninie Donia. Efa ambolana maro izy no nogadraina ary narary tamin'izany sy nandritra izany fanagadràna azy izany. Ny tena anarany kosa dia BEZARA Eliane Virginie.

Teraka tamin'ny 15 aogositra 1967 tao Nosy-Be Hell-Ville i BEZARA Eliane Virginie, zanak'i BEZARA Jean Joseph sy KALOZAFY Bibiane izay samy efa maty. Mananjanaka mirahalahy koa izy izay antsoina hoe POTHIN Jean de Dieu sy TONGAZARA Christoly.

Ankoatra ny maha-mpihira azy dia mpikatroka sady mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ny RMDM ao Nosy-Be ihany koa ny tenany ary be no mihevitra fa noho ny antony politika mihitsy no nanenjehana sy nisamborana azy. Ny omaly vao omaly ny zanany iray no niantso vonjy an-tambajotra sosialy, hanao fanangonam-bola hitsaboana ny reniny izay efa tena voa mafy.

Raha iverenana kely ny tantara dia nosamborin'ny zandary tao Nosy-Be ratompokovavy tamin'ny 17 desambra 2021 noho ny fanoherany ny fanesorana ny olona nipetraka (nibodo teo satria tsy nanana taratasy amin'izany?) teo efa am-polony taona maro (mba tsy ilazàna hoe an-jatony taona satria efa nipetrahan-dry zareo Zafinifotsy talohan'ny fanjanahantany ny toerana no lasa nambolen'ny voanjo fary). Ny SIRAMA moa taty aoriana no nandimby ireo voanjo ireo.



Nosamborina izy noho ny fitorian'ny Tale Jeneralin'ny SIRAMA (Raha jerena amin'ny fizotran-tantara dia efa azon'ny JIRAMA ny toerana) izay milaza fa hiaro ny tany hatramin'ny farany araka ny lalàna mihatra eto amin'ny tany sy ny firenena. Voalaza fa anisan'ny nitory azy ihany koa ny Fanjakana Malagasy. Re manko tamin'izany fa hanaovana "projet présidentiels" ilay toerana ka izany no anesorana ireo olona amin'ny fonenany, toa tetika anesorana ny olona no iheverana izany tetikasa izany fa misy ireo mihevitra fa misy vondron'olona te-haka ny tany tsotra izao ao ambadika ao.

Nentina ho anaovana fanadihadiana tao Ambohibory, akaikin'ny seranam-piaramanidin'i Fascène, izy tamin'izany fisamborana azy izany. Raha nahare izany fisamborana azy izany ny mpanara-dia azy dia nifamory tao Bazaribe avy hatrany tamin'io andron'ny 17 desambra 2021 io. Noho ny fahamaroan'ny vahoaka vonona ny hiaro azy io no namotsorana azy tamin'ity fotoana ity. Anisany anenjehana an'i Ninie Donia moa tamin'ity fotoana ity ny fiampangana azy ho mizara ny tanin'ny SIRAMA. 



Nony tonga ny volana avrily 2022, nanao fameloma-maso indray ny Antoko TIM tao Antsiranana ity artista manana ny lazany ity fa nosembatsembanina tamin'izany hetsika nataony izany. Nampanantsoina tany amin'ny Biraon'ny mpitandro ny filaminana izy sy ny namany avy eo noho io hetsika voalaza io. Nosamborina indray izy ny volana jona 2022 noho io resaka adi-tany io ihany, ary notsaraina tamin'ny faramparan'io volana jona 2022 io ka nomelohina higadra enimbolana sazy mihatra. Ny fizotran-tantara no nampihevitra ireo olona akaiky azy fa mifamatotra amin'ny resaka politika ity fanagadrana ity.

Raha tokony navoaka noho ny fahavitan'ny saziny ilay mpihira tamin'ny 16 desambra 2022 dia notazonina vonjimaika indray satria misy ny vesatra vaovao miandry azy ho mamory olona hanao dahalo na firaisana tsikombakomba amin'ny dahalo. Zavatra iray maharary ny fianakaviany izany fitoriana izany satria heverina ho dahalo izany ny Zafinifotsy tompontany ao Nosy-Be. Nialoha kely io fotoana io, ny 23 novambra 2022, ny taratasim-pahasalamana (Certificat Medical) nataon'ny Lehiben'ny Toeram-pitsaboana CHRD ao Nosy Be ny tokony handefasana azy hotsaboina amin'ny toerana tsara kokoa (évacuation sanitaire). Tokony ho ny volana janoary izy no nalefa tao Mayotte fa tsy navela.   

Nivoaka indray avy eo ny didy vaovao higadrany 18 volana sazy mihatra noho ny fandrisihana hanao fanakorontanana (trouble à l'ordre public) noho ny fanakanana nataony tamin'ny fandraofan-tany saika hataon'ny mpanambola. Tamin'ny 25 avrily 2023 no nivoahan'izany didy famonjana izany. Vesatra fito no nanamelohana azy tamin'io.

Tamin'ny fiandohan'ny volana aogositra 2023, nandohalika teo ambony sehatra, nangataka tamin'ny Filohan'ny Repoblika tamin'izany fotoana izany (Andry Rajoelina), nandritra ny fetibe Sômarôho fahafolo tao amin'ny kianjan'Ambodivoanio ao Nosy-Be, ny artista iray hafa malaza antsoina hoe Joël Isoubaly Andriamahazo alias Wawa, amin'ny hamotsorana amin'izay an'i Ninie Donia fa efa ampy izay famonjana azy izay. Naely tamin'izany fotoana izany fa navotsotra izy taorian'io nefa tsy nisy velively izany famotsorana azy izany. 



Ankehitriny, nodimandry ilay mpanjakavavin'ny salegy. Lasa ilay mpikatroka teratany niezaka hiaro ny taniny manoloana ny fandraofan'ny vahiny ny tany ao Nosy-Be, toerana iray malaza amin'ny fizahantany. Be ireo nalahelo sy tezitra tamin'ny nataon'ny politisiana sy ny rafi-pitsarana namelezana ity mpitarika avy ao amin'ny fanoherana ity. Eo imason'ny maro dia maritioran'ny fitiavan-tanindrazana izy. Lasa izy fa ny tolona hiarovana ny tany tsy ho lasan'ny vahiny kosa mbola mitohy. Anjaranao izay mbola velona no manohy izany tolona izany raha te-hanaja ny tolona nataony ianao fa tsy fitserana intsony.

Ny alarobia, mialoha ny alakamisy fanitrihana, nanafatra ny zanak'i Ninie Donia any ampitan-dranomasina hody fa tsy mila orange ry zareo, tsy mila olona miakanjo orange ny dikan'izany. Tsy ilaina manatrika amin'ny fandevenana ihany koa ny fitondram-panjakana sy izay mety ho solontenam-panjakana.
 


Nialoha ny androm-panitrihana dia feno hipoka ny salle d'oeuvre catholique nametrahana ny razana mialoha fanitrihana araka ny hita amin'ny sary eto ambany:


Ary toa izao kosa ny ampahan-dahatsary tamin'ny nanafenana azy izay efa takariva no natao, tsy fantatro na manaja ny tsy fandevenan'ny maro alakamisy ry zareo na tsia fa rava moa ny fady tahaka ireny raha misy rehefa milentika ny masoandro.


 

Fanampiny: Raha nikasa hanely ity ranty ity tao amin'ny Facebook aho dia gaga fa tsy mahazo mivoaka ao satria mihoa-pampana ny zavatra voalaza? 





14.11.23

Nosamborina ny kandidà Paraina Auguste ary navotsotra tsy nisy fiampangana avy eo!

Toy ny vara-datsaka ny filazana nataony fa nisy nampanantsoin'ny fitsarana any Londres noho ny raharaha Romy Voos amin'ny 30 novambara 2023 ho avy izao. Nampanantsoin'ny sampana miady amin'ny heloka an'habaka ny kandidà Paraina... fa tsy tonga ary nosamborin'ny polisy. Heloka iampangana azy ny fampielezana vaovao tsy marina sy fanalambaràka olona ary fandrisihana ny hafa hankahala olona.

Efa hisasak'alina dia navotsotra tsy nisy fiampangana indray ity kandidà ity rehefa nanao fialan-tsiny fa tsy voamarina ilay vaovao noraisiny. Fialan-tsiny ankaterena no iheveran'ny maro azy mba ahafahany mivotsotra tahaka izao. Mety ho nitranga ny famotsorana noho ny filazan'ny vondron'ny kandidà fa manaporofo ny tsi-fetezan'ny fifidianana ny fisamborana kandidà tahaka izao.

Voafitaka indray ireo mpomba ny laoranjy vaovao?

Raha namaky ity fanazavana ity tamin'ny voalohany aho dia noheveriko ho hadrohadro avy amin'ny mpanohitra ilay izy. Rehefa nojerena ...